Dahalo miisa telopolo lahy nandoro tanàna izay nitondra basim-borina sy kalaky ary fitaovam-piadiana mahery vaika no fantatra fa nanafika tao amin’ny fokontany Andegilava, kaominina Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, ny asabotsy 30 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Omby miisa 27 tamin’io fokontany io no lasan’ny dahalo ary trano 50 tafo ihany koa nodoran’izy ireo nandritra ny fanafihana. Tsy nisy sahy nanohitra ny fokonolona raha vao nahita izany, fa ny fandosirana sy famonjena aina no nataon’izy ireo. Tsy naharitra ireo malaso fa fotoana fohy monja ihany no nijanonany teo amin’ilay toerana notafihany. Rehefa vitan’izy ireo ny nataony dia lasa nitsoaka nandositra haingana izy ireo. Marihana fa tsy nisy aina nafoy na naratra nandritra ny fisehoan’ny halatra nataon’ireo jiolahy teo an-tanàna. Taorian’izay vao niezaka nitady ny fomba rehetra nahafahana nampandre ny mpitandro ny filaminana ny mponina tany an-toerana. Efa tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy tamin’io fotoana nahatongavan’ny Zandary io, satria efa tamin’ny alahady 01 jolay tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fokonolona any Andegilava. Mitohy hatrany kosa ny fanarahan-dia ataon’ireo Zandary avy eto Maevatanàna sy ao Ambalajanakomby.
Ratantely