Tovolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Steeve Marius Fournier, teratany malagasy, no karohin’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, nanomboka ny alarobia lasa teo. Raha ny fanazavàna azo avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia voarohirohy amina resaka halatra ity tovolahy ity, ary misy fitoriana mipetraka ao amin’izy ireo. Tsy fantatra kosa anefa hatreto na halatra inona na halatra inona no hilàn’ireo mpanao fanadihadiana azy. Fa matoa mivoaka toa izao ny taratasy fampikarohana dia sady tsy namaly ny fiantsoana azy tany amin’ny biraon’ny pôlisy ilay tovolahy, izay toa efa tsy zoviana amin’ny rehetra ihany ny tarehiny, no tsy hita intsony tany amin’ny toerana voalaza fa fonenany. Araka izany, hoy ity taratasy fampikarohana navoakan’ny pôlisy ity, iangaviana izay mahita na mahafantatra ny misy an’i Steeve Marius, mba hiantso avy hatrany ny ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, amin’ny laharana 0340599832 na ny 0340551729. Ireo mpitandro filaminana izay mahita azy kosa dia mba hisabombotra azy avy hatrany ary hanatitra azy ao amin’ireo mpanao fanadihadiana.
m.L