- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSempama-nosy sampana Toamasina : Nidina an-dalam-be ireo mpampianatra sy mpanabe omaly

Sempama-nosy sampana Toamasina : Nidina an-dalam-be ireo mpampianatra sy mpanabe omaly

“Tsy mahavelona anay ny lakromezana, tsy mahatotra lakrimozena ny mpampianatra, raha tsy vita ny fanadinam-panjakana sy ny fanadinana isaky ny sekolim-panjakana dia ny fanjakana sy ny minisiteran’ny fanabeazana ihany no antony…”, isan’ireo hiakiakiana nataon’ireo mpampianatra sy mpanabe mivondrona eo anivon’ny Sempama-Nosy sampana Toamasina nitety arabe teto Toamasina tampon-tanana izany omaly zoma misandratra andro. Vao maraina dia nifanao fotoana teo anoloan’ny biraon’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana ireto mpampianatra sy mpanabe ireto. Nisy nandritra izany ny antsoantso nataon’izy ireo ho an’ny talem-paritra sy fiantsoana ihany koa ireo mpiasa tao ny hanaraka ny fitokonan’ny mpanabe sy ny mpampianatra. Nisy koa ny fitondran’izy ireo ny hafatra ho an’ity talem-paritra ity  teny anivon’ny minisiteran’izy ireo ny tsy faneken’izy ireo ny zava-misy sy ny tery vay manta ary ny fomba fanaovana tsinontsonina ny mpanabe malagasy. Taorian’izay dia nitanjozotra nanao Diabe nihazo ny biraon’ny Sisco Toamasina I sy Sisco Toamasina II izay samy eto an-tampon-tananan’i Toamasina ireo mpanabe sy mpampianatra an’arivony ireto nitaona ny namany sy nitondra hafatra ho ireto lehiben’ny Sisco roa ireto ihany koa. Nisy ny sora-baventy narantin’izy ireo nandritra izany nampahalalan’izy ireo ny fitakiany ho fantatry ny rehetra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ho azy ireto anefa dia “fitakiana voavaly ara-dalana, fampianarana mandeha”.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici