« Maro amintsika na tsy dia mahafantatra loatra ny Frantsay aza, dia mahalala fa izy ireo dia matetika maneso, amin’ny tantara mampihomehy ny mpifanila aminy, dia ny Belza izany. Lazainy fa vendrana izy ireo ka raha zavatra faran’izay tsotra aza, dia adikany vilana foana. Ny mahagaga dia, na isika aza, dia manao toy ny boloky fotsiny ary mba manao tantara belza koa rehefa te hisehoseho hoe mahay sy maranitra. Kanefa anie dia fantatsika fa hafa ny vazivazy ataon’ny mpiziva e ! Ohatra, rehefa mandeha fiara vaventy any Atsimo any ianao, dia matetika maheno eny an-dàlana eny, ankizy lahy antandroy miteny mafy. Ka hoy izy : “Handeha ho aiza Tanosy izany?” satria misy Antanosy ao anaty fiara ary efa zokiolona. Dia tsy mamaly akory ity farany, fa mihomehy na mitsiky tsy ravo fotsiny. Ianao tsy Antanosy na Antandroy dia tohina mihitsy satria manao tsinontsinona olon-dehibe ilay voatavo tsy mifandraka. Dia gaga ianao fa tsy taitra ny iray fiara. Hay ve ka :“ Ny ompa ifanaovan’ny mpiziva dia sangy anehoany ny fifankatiavany.” Satria mantsy ho an’ireo tsy mahalala dia mpiziva ny Antanosy sy ny Antandroy. Ary saika mazàna dia mpiziva avokoa no niavian’ny Fihavanan’ny Malagasy manontolo. Ary ny foko iray dia mpiziva amina foko hafa…”
Cette introduction en malgache basique a été faite sciemment pour bien montrer comment des mimétismes sont effectués sans savoir le pourquoi du comment, comme réciter bêtement des blagues belges.
A l’heure de la Coupe du monde de football où s’affrontent en demi-finale la France et la Belgique, les plaisanteries à l’égard des Belges vont bon train, à croire que ces derniers jouent au ballon en mangeant des frites et des moules, ou encore d’autres quolibets de mauvais goût et évidemment, pour dire que le match est déjà plié.
« Ny ompa ifanaovan’ny mpiziva dia sangy anehoany ny fifankatiavany » ou en d’autres mots « les moqueries voire les injures à l’endroit de qui on aime sont en fait des signes de profonde affection ». A Madagascar, chez les anciens, les approches entre groupes se font d’abord par des plaisanteries si elles sont tolérées, des liens seront noués et le cas échéant, on s’arrête là. Avec l’acculturation, l’on a tendance à prendre à la lettre les quolibets d’où des incompréhensions et des frictions et d’un. Puis de deux, si vous n’êtes pas « mpiziva» (parent à plaisanterie) d’un autre, abstenez-vous des moqueries parce que ce monopole, cette exclusivité relève d’abord d’un pacte d’amitié inclusif. Alors, dorénavant, si vous n’êtes ni français ni belge, ne faîtes pas le pédant en vous moquant de l’un ou de l’autre, car vous n’avez pas élevé les cochons ensemble, comme on dit.
M.Ranarivao