- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Mpampianatra niaraka tamin’ny zanany, nalain’ny dahalo an-keriny

Malaimbandy : Mpampianatra niaraka tamin’ny zanany, nalain’ny dahalo an-keriny

Efatra tapitrisa ariary, raha ny fampitam-baovao azo notakian’ireo dahalo naka an-keriny mpampianatra tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Malaimbandy. Amin’ity karama kelin’ireo mpanabe eto amintsika anefa, izay mahatonga ny fitokonan’izy ireo rahateo, dia  ho sarotsarotra amin’ireo fianakaviana ihany ny handoa izany. Mandrahona ny hamono anefa ireo olon-dratsy.

Ny sabotsy lasa teo no nitranga ity tranga fakàna an-keriny ity tao Malaimbandy, distrika Mahabo any amin’iny faritra Menabe iny. Tokony ho tamin’ny valo ora alina  teo no niditra nanao amboletra tao amin’ity tokantranona mpanabe ity ireo dahalo marobe, rehefa avy nanapoapoaka basy. Mazava ho azy fa noho ny fahatahoran’ireo mponina, dia tsy nisy sahy nivoaka izy ireo. Taorian’io fanafihana io no vao nisy nijery ny zava-niseho ka tamin’izay no fantatra fa lasan’ireo dahalo an-keriny ity mpampianatra ity, niaraka tamin’ny zanany vavy. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia teny an-dàlana no navotsotr’izy ireo ilay zazavavy, izay tsy mbola fantatra hatreto aloha na nampiharan’ireo tsy valahara ny filan-dratsiny na tsia. Ilay mpampianatra kosa dia nentin’izy ireo ary io notakiana vola an-tapitrisany io vao hoe havotsotra. Milaza anefa ireto mpaka an-keriny ireto, fa tsy hisalasala mihitsy hamono an’ilay mpanabe raha tany ity ka tsy voaloan’ireo fianakaviana ilay vola nangatahan’izy ireo. Hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, dia mbola tsy votsotra eny am-pelan-tanan’ireo dahalo ity mpampianatra ity. Etsy andanin’izay anefa, dia efa mandray an-tànana ny raharaha ireo tompon’andraikitry ny filaminana tsirairay any an-toerana, ary inoana fa hisy vokany ato ho ato izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici