Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tetsy Ambohinambo Talatamaty, ny sabotsy teo. Andian-jiolahy mirongo zava-maranitra no niditra an-keriny tao amin- tokantrano mpivarotra iray teny an-toerana. Vokany, vehivavy iray no namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy. Lasa daholo kosa tetsy andanin’izay ny vola rehetra maty nandritra ny andro tamin’io fotoana io, izay mbola tsy fantatra hatreto ny isany. Raha ny fampitam-baovao azo, dia efatra ireo olon-dratsy ary tsy misy misaron-tava no nanafika an’ilay tokantrano tamin’io fotoana io. Satria trano hazo ity fivarotana ity dia mora tanteraka ho an’ireo olon-dratsy ny nanapitsoka ny varavarana ary nidiran’izy ireo an-keriny tao. Norahonan’ireo olon-dratsy avy hatrany ireo tompon-trano, izay tsy nisy afa-tsy vehivavy iray, 53 taona niaraka tamin’ny zanany lahy, mba hamoaka ny vola rehetra. Nandà hatramin’ny farany anefa ity ramatoa ity, ka tsy nisalasala ny iray tamin’ireo olon-dratsy nanindrona antsy azy avy hatrany. Rehefa nitolefika tao anaty rà mandriaka ity renim-pianakaviana, dia nanao izay danin’ny kibony nisava ny tao an-trano ireo mpanafika. Lasan’izy ireo avokoa ireo vola matin’ity fivarotana ity nandritry ny andro, niaraka tamin’ireo entana sarobidy isan-karazany tao an-trano. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ilay zanany lahy. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana teny Anosiala ilay renim-pianakaviana izay voa mafy teo ambanin’ny tratrany. Saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga teny. Nandray an-tànana ny raharaha moa ireo zandary avy amin’ny borigady Talatamaty ary efa eo am-pikarohana ireo nahavanon-doza izy ireo.
m.L