Nitrangana loza an-dranomamy teny Mantasoa ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Lakana iray nitondra mpandeha telo no nivadika tao amin’ity farihy ity. Vokany, tovolahy iray, 26 taona no maty raha avotra soa aman-tsara kosa ireo roa ambiny. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranonahoatra ao amin’ny fokontany Andrefan’i Vohitra, kaominina Mandosoa no nitrangan’ity loza ity. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia vokatry ny fihetsika tsy vohevitra teny ambony lakana ka nampivadika izany no nahatonga ny loza. Tokony ho 25 metatra tsy ahatongavana teny amin’ny moron-drano tokoa mantsy no nisy niantso tamin’ny finday ny iray tamin’ireo olona tao anaty lakana. Nisahotaka nitady izay nisy ity findainy ilay olona ka nampihetsiketsika ilay lakana ary izao niafara tamin’ny fivadihana izao. Teo dia samy niezaka nanavotra ny tenany sy hihazo ny moron-drano ny tsirairay saingy ity tovolahy ity no tsy tonga teny. Natao avokoa ny fikarohana, izay naharitra ora maromaro teo, ka efa ny vatana mangatsiakany sisa no nampiakarina avy any. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy. Ka taorian’ny fitsirahana ny razana dia nomena ny fianakaviana izany. Raha ny filazan’ireo mponina dia matetika no maka olona ity ranon’i Mantasoa ity saingy somary niatoato izy io tao ho ato izay, ary dia izao ahiana hiverina izao indray. Mila mitandrina ny tsirairay araka izany, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fotoam-pialan-tsasatra izao.
m.L