Jiolahy mpamerin-keloka roalahy indray no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy, tany Ankazobe ny herinandro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao dia rain-dahiny tanteraka amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana izy roalahy ireto ary mbola voarohirohy ho isan’ny mpiray tsikombakomba amina resaka fakàna an-keriny ihany koa. Efa diso fantatra loatra amin’ny asa ratsy i Gerard sy Gilbert, raha ny vaovao hatrany, satria dia efa nisazy teny Antanimora ny taona 2004 noho ny resaka vono olona. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namerina ny asa ratsiny izy ireo ary voarohirohy ho isan’ireo nanafika ny banky Boa tany Toamasina sy tany Manakara, ary nigadra teny Antanimora ny taona 2013. Taty aoriana dia izao voasambotra izao indray noho ny resaka firaisana tsikombakomba amina jiolahy mpanao fanafihana. Ary raha ity resaka ity no nanaovana famotorana azy ireo dia fantatra ihany koa, araka ny vaovao hatrany, tamin’ny fanadihadiana azy ireo fa isan’ireo mpiray petsapetsa amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny izy ireo. Ity tranga ity moa izay nahazo vahana tanteraka tato anatin’ny herinandro maromaro izay. Omaly no voalaza fa saika natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto saingy nahemotra kosa izany ary hatao amin’ny fotoana mampety azy. Mbola misy mantsy ireo raharaha hafa hanaovana famotorana azy ireo na mbola tsy feno tsara ihany koa ny fanadihadiana natao azy ireo.
m.L