Mihamatotra hatrany ny antso nataon’ny komandan’ny polisin’ ny FIP Toamasina, kaomisera Rafaliarivo Jules, tamin’ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany indrindra ireo fokontany tena voasokajy ho mena eto Toamasina. Misy ny fifampitokisana ankehitriny ka misy hatrany ny vokatra noho ny fahamatoran’ny fanomezam-baovao ataon’ireo fokonolona ny polisy. Ny zoma alina nifoha ny sabotsy teo izao, dia jiolahy enina no voasambotra am-bodiomby, mbola tratra tamin’izy ireo ny zavatra nangalariny sy ireo fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ny asan-jiolahy fanaon’izy ireo. Ny voalohany, dia mpamaky trano isan’ny mampahory vahoaka ao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be, izay teo am-piketrehana famakiana trano niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa amin’izany izy ireo no tratran’ny polisy ny FIP. Raha ny fanazavana sy ny fakana am-bavany azy ireo no nahafantarana fa mpitondra posy izy telo lahy ireto amin’ny antoandro, ka mandritra izany no hitiliany ireo trano sy ireo fianakaviana hanaovany ny vaky trano ny alina. Ny faharoa kosa dia mpangalatra bisikileta, ka ny fomba fanaon’izy ireo azy dia darohan’izy ireo vatan-kazo ireo mpitondra bisikileta tratra alina, dia alain’izy ireo mora foana izany raha mbola variana mitaraina ny manjo azy ny tompony. Teo am-pivarotana 40.000 ariary ity bisikileta halatra moa no nahatrarana azy roa lahy ireto izao. Ankoatra izay, ireo roa lahy ambiny kosa dia mpividy halatra sy heverina ho mpiray tendro tamin’ireo mpamaky trano tratra tao Analakininina Hopitaly be, ka ny fitsarana no tompon’ny teny farany mikasika azy ireo. Mbola manao ny antso avo hatrany ny Kaomisera Rafaliarivo Jules, amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanomezam-baovao, satria raha mitohy ny fifampitokisana dia hisy hatrany ny vokatra ho azo.
Malala Didier