# Asan-dahalo. Mahatratra enimpolo ny dahalo maty. Tsy mbola milamina ny any amin’ny faritra Anosy, any atsimon’ny nosy. Saika isaky ny alina, manafika hatrany ny malaso. Tsy alina ihany anefa, hoy ny vaovao fa ny antoandro koa. Tsy manaiky ny vahoaka ampian’ny mpitandro filaminana ary dia raikitra ny fifandrinana. Fantatra fa tao anatin’ny herinandro dia tafakatra hatrany amin’ny 60 mahery ny olona namoy ny ainy. Ao anatin’izany ny jiolahy sy ny olon-tsotra.
r.s.
# Mahajanga. Fiara nifaoka olona roa. Ny 8 may teo teo amin’ny RN54(PK7+20) Amborovy ; eo amin’ilay tanàna atao hoe plaque fotsy, no nahitana ity fiara iray nandeha mafy tokoa ho any amin’ny petite plage. Nisy sarety tampoka anefa teo anoloany. Niezaka niala izany izy ka nivadika, ary nifaoka mpandeha an-tongotra roa. Naratra mafy noho izany ny ramatoa 56 taona sy ankizivavikely 7 taona.
# Maevatanana. Taxi-brousse nifandona tamin’ny kamiao naharatrana olona 9. Ny 8 may teo tao Antsahaniha RN4 (PK330+600)dia nisy ity fiara taxi-brousse Toyota KOMAFIBO saika hisongona fiara Mercedes Sprinter. Teo am-pisongonana indrindra anefa izy no nipoitra tampoka ity kamiao mitodi-doha hankaty Antananarivo. Tsy afa-niala intsony ilay fiara Toyota ka nifandona tamin’ilay kamiao. Olona 9 no naratra mafy ary efa nentina any amin’ny hopitaly.
# Beroroha. Dahalo 20 saika hanafika, maty ny 1. Andian-jiolahy miisa 20, nitondra basim-borona, ny 7 may lasa teo, no nanafika tao an-tampon-tanàn’iI Beroroha. Nikasa hangalatra omby izy ireto no nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana. Avy hatrany dia nikoropaka ry zalahy raha vao nahita ny zandary ka nitifitra ary niafara tamin’ny fifanjevoana. Lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo dahalo.
Nangonin’i Alem