- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana Itasy : Lehilahy manambady, maty teo am-panaovana firaisana tamin’ny sipany

Soavinandriana Itasy : Lehilahy manambady, maty teo am-panaovana firaisana tamin’ny sipany

Lehilahy lehibe iray no hita faty tao an-tranon’ny sakaizany, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo ho eo, tany amin’iny faritra Itasy iny. Mbola niboridana tanteraka ralehilahy tamin’io fotoana io. Ny fanazavàna azo avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana sy ireo mpitsabo no nahafantatra fa vao avy niray tamina vehivavy ingahy, ary mety ho vokatr’izay no nahafaty azy. Tsy nahitàna ratra rahateo ny vatany, tamin’ny fitsirihana ny razana.

Tokony ho 41 taona eo ho eo ity rangahy  ity raha ny tati-baovao azonay, ary lehilahy manam-bady aman-janaka ara-dalana, saingy tao amin’ny tranon’ny sipany, tao Antanetibe Varahina izy io hita faty io. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia vao nigadona teo amin’io tanana io izy, dia ny namonjy avy hatrany ity sakaizany ity ranamana. Vantany vao tonga tao an-trano dia niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana fahafinaretana ara-nofo izy roa. Tsy fantatra teo anefa izay nahazo an’ilay lehilahy fa avy hatrany dia nitambotsitra ingahy ary tsy niaina intsony. Hitan-dravehivavy fa tsy nihetsika intsony kosa ilay lehilahy dia niala avy hatrany ny anao vavy, izay tratry ny tampoka ihany koa, ka nihazakazaka niantso vonjy eran’ny tanana. Tranga tsy fahita firy tao an-tanana ity ka nirohotra nijery ny zava-nisy ny olona. Nantsoina ihany koa teo ny zandary, izay tonga niaraka tamin’ny mpitsabo nanao fitsirihana voalohany ny razana. Fahafatesana tampoka  no voalaza hatreto fa nahazo azy, izay tsy fantatra na vokatry ny harerahana na mety ho vokatry ny zavatra nohanina. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia nomena ny havany, izay nantsoina niaraka tamin’ny vadiny, ny razana. Tsy fantatra kosa hatreto izay nalehan’ilay tovovavy niaraka taminy. Fahafaham-baraka tanteraka !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici