- Publicité -
lundi, septembre 28, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Lehilahy mamo avy namonjy didim-poitra, nosoavalin’ny mpamosavy

Ambalavao : Lehilahy mamo avy namonjy didim-poitra, nosoavalin’ny mpamosavy

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo no hitan’olona vao naraim-be nivalampatra torana tsy nahatsiaro tena teny amoron-dalana, omaly tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any, tany Ambalavao Tsienimaprihy, ary tsy nisy akanjo teny aminy ny tapany ambony. Rehefa tafafoha ity lehilahy nahenoana fofon-toaka nidofaka ity, afaka ora iray sy sasany latsaka kely teo, taorian’ny fitsaboana azy, dia nitantara ny zava-nihatra taminy. Nambarany fa nosoavalian’ny mpamosavy izy rehefa nandeha nody avy namonjy lanonana didim-poitra, ny andron’ny omaly io, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia nahitana ratra teo amin’ny tanana roan’ity lehilahy ity sy teo amin’ny lohaliny ary ny lamosiny, ka zara raha afa-namindra sy nandeha izy noho ny harerahana mafy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici