- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Tovovavy namono tena, nitsoraka tao anaty lavapiringa lalim-be

Fianarantsoa : Tovovavy namono tena, nitsoraka tao anaty lavapiringa lalim-be

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita na fandre firy izay nahavalalanina ny maro no niseho tao Fianarantsoa tampon-tanàna, afak’omaly. Tovovavy iray sahabo 30 taona eo no namono tena, ka nitsoraka tao anaty lavapiringa lalina be, tao amin’ny Fokontany Ivory Avaratra. Raha vao nahita ny zava-nisy ny fianakaviany, dia niantso haingana ny mpamonjy voina. Fotoana vitsy taorian’izay dia tonga ny « pompiers » namonjy an’ity tovovavy voalaza fa nikasa ny hanapitra ny ainy noho ny tsy nahazakany ny olana nianjady taminy. Araka ny tati-baovao voaray, dia gaga tamin’ny fahasahian’ity tovovavy tsy be teny firy ity ny havany sy ireo olona nanatri-maso mahafantatra azy. Ary nakarina tamin’ny tohatra lavabe sy nosintonina tamin’ny tady ity tovovavy nihosina maloto tanteraka hatrany an-tampon-doha ka hatreny am-paladia ity ; izay efa nalemilemy tanteraka, ary zara raha nahazaka tena intsony vao afaka tao an-davapiringa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici