Tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa no namonoan’ity lehilahy iray ny vadiny, tao amin’ny kaominina Andranomangatsiaka, any amin’iny distrika Betioky Atsimo iny, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Rehefa avy nokapainy famaky mantsy ny hatony, dia notsatotsatohany ny lefony ny tratrany. Namoy ny ainy teo no ho eo araka izany ilay ramatoa. Fantatry ny mpiray tanàna tanteraka moa ny toerana izay mety ho nalehan’ity lehilahy namono vady ity, taorian’ny asa ratsiny ka nalehan’izy ireo teny. Voasambotry ny fokonolona teny ralehilahy ary tsy namelan’ireto farany ihany koa raha tsy namoy ny ainy nanaraka ny vadiny. Hatreto, dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity lehilahy ho nahavita izao habibiana goavana izao tamin’ity vehivavy ity. Ny nahagaga ny maro ihany koa tamin’ny nahitana ny vatana mangatsiakan-dramatoa nihosin-drà tanteraka tao an-trano, dia ity farany efa somary niboridana. Vinavinaina ho tratran’ity vadiny niaraka tamin’ olon-kafa ve ilay ramatoa sa hoe fitia te hamono ny an-drangahy ka rehefa avy nampiharany herisetra ara-nofo dia novonoiny avy teo ? Tsy misy afaka ny hamaly izany intsony moa, ilay namono rahateo efa maty novonoin’ny fokonolona, na izany na tsy izany aza anefa dia tonga tany ireo tomponandraikitry ny filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana.
m.L