- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninanandrano : Tokantrano roa indray nasesin’ny jiolahy notafihana

Antaninanandrano : Tokantrano roa indray nasesin’ny jiolahy notafihana

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Antaninanandrano, ao amin’ny kaomina Ankadikely iny, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tokantrano roa no indray notetezin’ny jiolahy notafihana tamin’io fotoana io. Saingy noho ny antso vonjy haingana nataon’ireo fokonolona dia tsy nahazo n’inona n’inona izy ireo tamin’ilay tokantrano faharoa. Araka ny loharanom-baovao dia manodidina ny tamin’ny 12 ora alina teo no tonga nanafika ireo olon-dratsy. Miisa enina izy ireo, ny iray ihany no manao saron-tava fa ny sisa nandeha tamin’izao. Basy poleta telo niaraka no nentin’ireto mpanafika ireto tamin’io fotoana io. Saingy raha ny fantatra dia ny roa tamin’ireo basy ireo dia kilalao ary iray ihany no tena izy. Toeram-pivarotana iray teny an-toerana aloha no avy hatrany dia nanaovan’izy ireo amboletra, rehefa avy nopitsohiny ny varavarana. Nentin’ny tampoka sy ny tahotra ireo tompon-trano dia nanaiky hatramin’ny farany izay notakian’ireo olon-dratsy. Vola mitentina eo amin’ny enina alina sy iray hetsy ariary teo no lasa, niaraka tamina finday efatra sy « batteries » 40 isa. Raha niomana ny handeha tao amin’ilay tokantrano iray faharoa izy ireo no niantso vonjy ny voatafika ary nikoropaka ny fokonolona. Tamin’izay fotoana izay no nandositra ireto farany no sady nanapoaka basy, entina hampitahorana ireo izay sahy manaraka azy ireo. Taorian’io moa ny tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary niezaka nanara-dia ireo mpanafika avy hatrany, saingy tafaporitsaka ireto farany. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana azy ireo hatreto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici