- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana ben’ny tanàna tany Toliara : Trano  38 nodoran’ny Dinabe, dahalo 3 maty...

Famonoana ben’ny tanàna tany Toliara : Trano  38 nodoran’ny Dinabe, dahalo 3 maty voatifitra

Fantatra ankehitriny, fa noho ny ady teo amin’ny resa-bola, no namonoan-dRebona (28 taona) sy Safidy (25 taona) tamin’ny fomba feno habibiana ka nahafaty tsy tra-drano tamin’ny alalan’ny tifitra ny Ben’ny tanànan’i Tsianisiha, any amin’ny distrikan’i Toliara II, ny 16 jona lasa teo. Taorian’ity vono olona nahatsiravina ity, dia nokarohina fatratra natao hazalambo izy roa lahy voalaza fa lehiben-dahalo ikoizana ireto, izay mbola tsy tratra ary tsy fantatra ihany koa ny toerana niafenan’izy ireo hatramin’izao. Raha ny fanamarinam-baovao marim-pototra voaray tokoa mantsy, dia filoha kaominalin’ny Dinabe ao Tsianisiha i Safidy. Afak’omaly, tonga tao Antsointy (15 km atsinanan’i Tsianisiha, renivohitry ny Kaominina), izay tanànan’ireto lehiben-dahalo roa lahy malaza amin’ny halatra omby sy vono olona ary fanafihana mitam-basy ireto ny avy ao amin’ny Dinabe. Raha araka ny tati-baovao anefa, dia tsy tao ireo malaso nokarohina, ary tsy nety nanambara mihitsy izay toerana misy azy ihany koa ireo fianakaviany, ka nodoran’ny Dinabe ny trano  38 voalaza fa fonenan’ireo dahalo. Tao anaty fifampitifirana dia dahalo telo no maty, ka ombiasa izay mpimasin-dRebona ny iray, ary basy Kalach iray no tratra tany amin’i Ebony rahalahin-dRebona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici