- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga II : Basy P.A vita gasy  3 saron’ny Zandary, olona iray voasambotra

Mahajanga II : Basy P.A vita gasy  3 saron’ny Zandary, olona iray voasambotra

Nahazo vahana tato ho ato ny fiparitahan’ny basy vita gasy any amin’ny Faritanin’i Mahajanga, ka mampirongatra izaitsizy ny fanafihan-dahalo. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, dia lehilahy iray mpivarotra basy poleta vita gasy  telo sy bala ary ody gasy marobe no tra-tehaky Zandary tao an-tranony, tany Bekopay, Distrikan’i Mahajanga II. Raha ny fantatra, dia teo am-pitadiavana mpividy an’ireo fitaovam-piadiana ity rangahy ity no voasambotra, afak’omaly. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia telo lahy izy ireo no tompon’ny ketrika amin’ity tambajotra mpanamboatra sy mpivarotra basy ity, ary amidy hampiasan’ireo dahalo mpangalatra omby any ambanivohitra ny basy vita avy eo. Aorian’ny fanadihadiana, dia hatolotra ny Fampanoavana ity mpibizina basy sarona ity, mbola karohina fatratra kosa amin’izao ny namany roa lahy tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici