Vokatry ny fifandonan’ny bajaj sy fiarabe mpitatitra vola, tao Ambovondramanesy Distrikan’i Mahajanga II, amin’ny RN4 iny, ny alin’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny valo ora, dia tafakatra telo ny olona maty tao anatin’ity kodiarana telo ity ankehitriny. Raha tsiahivina tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, dia roalahy izay mpirahalahy no maty tsy tra-drano teo no ho eo, ka mpamilin’ilay bajaj ny iray. Rehefa notsaboina nialana nenina tao amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ny vehivavy iray tamin’ireo roa naratra mafy, dia namoy ny ainy omaly. Araka ny tati-baovao voaray, dia mamo ny mpamilin’ny bajaj izay nirimorimo nandeha mafy ka nifatratra tany amin’ity fiarabe mpitatitra vola izay hihazo an’i Mahajanga tampon-tanàna ity tao anaty fiolanana, tany Mangapaika. Raha ny fantatra, dia saika handeha ho any Amboromalandy, Distrikan’i Marovavy ireto efatra mianadahy tao anaty bajaj no niharan-doza teny an-dalana, ka nandriaka ny rà.
Eric Manitrisa