- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo Renivohitra: Mpanendaka sy mpangarom-paosy 216 nosamborin’ny pôlisy

Antananarivo Renivohitra: Mpanendaka sy mpangarom-paosy 216 nosamborin’ny pôlisy

Eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manjaka eto an-dRenivohitra, dia misy ny hetsika manokana ataon’ireo pôlisy eto an-dRenivohitra, tato anatin’ny roa herinandro izay. Fantatra ary fa tafakatra 216 ireo tontakely voasambotra. « Opération d’Harcèlements » izay nentina nanaovana antsojay ireo mpanao ratsy » hoy ny fanazavana azo. Eny amin’ireo faritra mafana sy voalaza fa anjakan’ny tsy fandriampahelamana matetika moa, toy ny  faritra : Andavamamba, Isotry, Manarintsoa, Anjanahary, Namontana, 67Ha, Andohatapenaka, Ambohipo no tena nisian’izay hetsika izay. « Nandritra ity hetsika izay naharitra roa herinandro izay, dia nisy fanaovana hazalambo sy antsojay ireo mpanendaka, mpamaky trano, mpanao hala-botry, mpangalatra môtô sy mpanao sinto-mahery eny amin’ireo faritra voalaza ireo. Ny fandraisana fepetra hentitra mahakasika ireo mpiloka an-dalambe izay tsikaritra, fa zary laza toerana fitangoronan’ireo mpanao sinto-mahery sy mpanendaka mitily ireo mpandalo » hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Ankoatr’ireo, dia fantatra ihany koa fa nisy ny fanatevenana ny fanaovana fisafoana andro sy alina ka tsy afa-bela amin’izany ireo mpandeha fiara, mpandeha môtô, eny fa na hatramin’ireo mpandeha tongotra. Paik’ady izay isan’ny nahazoana izao vokatra izao. Marihana hoy ny vaovao, fa tsy hijanona hatreto izany ezaka izany fa mbola hitohy hatrany, ary hitarina amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy. Ny hirariana fotsiny, dia mba tsy ho very an-javony izao ezaka ataon’ny pôlisim-pirenena izao. Isan’ny mampitaraina fatratra ireo mpitandro filaminana mantsy indraindray, ary tsy izy irery ihany fa ny vahoaka ihany koa dia ny rafitra izay misy eto amintsika, izay anjakan’ny kolikoly sy goragora. Matetika tokoa mantsy ireo re, fa voasambotra tahak’izao dia indro fa tafaverina tampoka eny anivon’ny fiarahamonina jndray, andro na volana vitsivitsy avy eo. Ary ny tena loza dia vao mainka toa lasa  niampy traikefa izany ry zalahy ka mampitondra faisana tanteraka ireo mponina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici