Noho ny fitokonan’ireo mpampianatra any amin’ny faripiadidiam-pampianarana Ambato Boeny, saika isan’andro ireo mpanabe no mitokona manao ny filaharambe mamakivaky ny tanàna, milanja sora-baventy hoe : « 14.000 Ariary hofantranon’akoho sy ny fôlaka la craie, tapaka tsy misy fianarana, . . . » , dia rava maina tsy tanteraka, afak’omaly, ny adina fanatanjahantena Bepc sy ny fanadinana Cepe andrana (Cepe Blanc) nokasain’ny Sefo Cisco natao. Nanitrikitrika mafy moa ireo mpampianatra mitokona, araka ny tati-baovao voaray, izay nilaza fa tsy hiverina hampianatra mihitsy izy ireo, ary tsy hisy fanadinam-panjakana vanona izany koa eto, raha tsy mivaly ny fitakian’ireo. Etsy andaniny, manahy mafy sy mitaintaina fatratra amin’ny mety hisian’ny taona fotsy ireo ray aman-dreny mampiana-janaka any an-toerana.
Eric Manitrisa