- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Misokatra ny taom-piotazana lavanila, 1 hetsy Ariary ny kilaon’ny lavanila manta

Sambava : Misokatra ny taom-piotazana lavanila, 1 hetsy Ariary ny kilaon’ny lavanila manta

Vaky ny vavasaha. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 16 jolay teo ny taom-piotazana lavanila 2018, amin’ny faritra amoron-dranomasina (zone littorale), any amin’ny faritra Sava, ka tao amin’ny fokontany Bemalamatra, kaominina ambanivohitr’i Nosiarina, distrikan’i Sambava no nanamarihana izany. Araka ny fanazavana azo, noho  ny fanentanana sy ny hetsika nataon’ny avy ao amin’ny « Groupement des Préparateurs Acheteurs de Vanille Sava » ho fanampiana tamin’ny fiarovana ny vokatra lavanila mba ho tsara kalitao, araka ny tanjon’ireo mpanafatra lavanila any ivelany, dia niaritra tsy nioty lavanila ireo tantsaha. Amin’izao fanombohan’ny taom-piotazana izao, raha araka ny tati-baovao voaray, dia manodidina ny iray hetsy Ariary eo no ividian’ireo mpanangom-bokatra ny kilaon’ny lavanila manta, raha nanomboka teo amin’ny 150.000Ar/Kg tamin’ny taon-dasa. Fanirian’ireo tantsaha anefa amin’ity taom-piotazana ity mba roa hetsy Ariary farafaharatsiny ny iray kilao amin’ny lavanila manta. Eo anatrehan’izany anefa, tsy mbola nandrenesam-peo ireo mpandraharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici