- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Ankorondrano : Môtô nitondra vola 100 tapitrisa ariary notafihan’ny jiolahy

Lalam-baovao Ankorondrano : Môtô nitondra vola 100 tapitrisa ariary notafihan’ny jiolahy

Volana « cash point » indray no voaroba tetsy amin’ny lalam-baovao Ankorondrano omaly maraina. Mitentina eo amin’ny 100 tapitrisa ariary teo ho eo ity volabe lasan’ny olon-dratsy ity, izay nentina tamin’ny môtô ary nokasaina atao « versement ». Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no niseho ilay fanafihana, raha ny angom-baovao azo.

Ankevitry ny efa fantatr’ireo olon-dratsy tsara angamba ny fisian’izany volabe izany ka nandrasan’izy ireo fotsiny ilay mpitondra azy rehefa tonga teo amin’ny sampanana mizotra mankany amin’ny « Village de jeux » Ankorondrano iny. Avy hatrany mantsy dia nosakanan’izy ireo tamin’ny basy poleta sy basy vita gasy ity mpitondra môtô tamin’io fotoana io. Dimy lahy avy hatrany no nanodidina ity olona voaroba izay tsy afaka ny nanao n’inona n’inona teo anoloan’ny vava basy sy fandrahonana ho faty nataon’ireto andian-jiolahy ireto. Hany herin’ilay nitondra vola dia nanome moramora ilay vola. Ny aina rahateo tsy hananam-piry angamba hoy izy fa ny vola afaka tadiavina indray. Tao anatin’ny fotoana fohy monja izany zava-nitranga izany, ary rehefa azon’ireo ilay vola dia nitsoaka avy hatrany ireo mpanafika. Efa nisy môtô hafa ihany koa niandry an’izy ireo tsy lavitra io toerana io. Taorian’io moa vao afaka niantso vonjy ilay lasibatra ary nandeha nampandre ny mpitandro filaminana. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany moa ireo farany ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

Tato ho ato tokoa dia tsapa fa saika lasibatra indray ireo mpivarotra mpaninjara vola amin’ny finday. Vao herinandro vitsivitsy izay no nisy toa ity tranga ity teo Ankazomanga, taorian’izay ny fanafihana mivantana ireo mpaninjara teny 67 ha ary vao ny sabotsy lasa teo dia teny Alarobia Amboniloha. Samy mandeha môtô avokoa teto ireo mpanafika no sady mitondra basy sy zava-maranitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici