Voa teo amin’ny tongony izy saingy mbola nikiry ny tsy nijanona ary nanohy ny lalan’ny fiara faran’izay haingana mba hitsoahana an’ireo mpandroba. Teny amin’ny lalam-pirenena faha-25 no nitranga ity fanakanan-dàlana ity. “Taxi-brousse” izay mampitohy an’i Fianarantsoa sy Vangaindrano no niharan’ny herisetra rehefa nokasain’ireo jiolahy horobaina ny mpandeha tao anatiny. Tsy nisy mpitandro ny filaminana nanaraka ity fiara fitaterana ity ary heverina ho fantatr’ireo olon-dratsy izany. Efa ho telo kilaometatra tsy hidirana an’i Vohiparara, teo amin’ny tetezana antsoina hoe Donald no nitranga ny fanakanana. Tsy vitan’izany fa avy hatrany dia nitifitra ireo jiolahy izay tsy fantatra isa. Nisy nahavita nampandre ny zandary ny olona ary teo no nisy ny fanapahan-kevitry ny nanisy mpitandro ny filaminana avy hatrany tamin’ny fiara izay nivezivezy tamin’iny alina iny, mandram-pahatonga tany Ranomafana. Lasa manahirana ny fivezivezena amin’ny lalam-pirenena noho ny tsy fandriam-pahalemana. Ny tena nahiana dia ny haha-taona fotsy ny fizahan-tany satria herinandro maromaro lasa izay dia nifanesy ny fandrobàna ireo fiara mpitatitra izany. Mba nitsahatra ihany anefa izany rehefa nasiana mpitandro ny filaminana isaky ny fiara izay mitondra mpizaha tany. Ny olana dia lasa aty amin’ny fiara fitateram-bahoaka indray no ironan’ireo olon-dratsy izany rehefa hitany fa tsy misy mpitandro ny filaminana. Lasa olana iray hafa mipetraka amin’ny sehatry ny fitaterana arak’izany ny tsy fandriam-pahalemana. Hatreto dia ny fanasiana mpitandro ny filaminana ao anatin’ny fiara izay mivezivezy no vahaolana noraisina. Tsy ho ampy mihitsy anefa ny isan’ireo ary tsy haharaka ny isan’ny fiara. Ny mety ho azo atao dia atao miaraka izay fiara mitovy dia ary ny mpitandro ny filaminana no mitarika ny làlana rehefa feno ny isan’ny fiara tadiavina. Efa nisy ihany izany rehetra izany saingy nandalo fotsiny. Tsy afaka hiompana tanteraka amin’izany mantsy satria ny asan-dahalo koa mbola ady iray hafa…
D.R