Isan’ny fomba iray lasa fahazarana ho an’ny mpampiasa ny lalam-pirenena ilay fiteny hoe “mametraha kely” isaky ny mandalo barazy na zandary. Raha ny lalam-pirenena faha-5 Toamasina – Soanierana Ivongo fotsiny ohatra, dia barazy na zandary , tsy latsaky ny 16 no andalovan’ireo mpampiasa ny làlana nefa làlana manodidina ny 160Km. Noho izay indrindra izay tafiditra amin’ny fanovana mahery vaika entin’ny zandarimariam-pirenena amin’ny ezaka atao momba ny ady amin’ny kolikoly eny an-dàlana, dia nisy ny atrikasa niarahan’ny Bianco sy ny Zandary ary ny mpitatitra tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny Tanana, ny alakamisy 19 jolay maraina teo. Ny zandary no nikarakara ny atrikasa ; izay nanasan’izy ireo ny mpitatitra ary ny Bianco no nanazava ny ady atao momba ny kolikoly nandritra izany. Nandray anjara mavitrika tao anatin’ny atrikasa ihany koa ny Sampandraharahan’ ny fitaterana an-tanety (ATT) Toamasina, ireo fiarahamonim-pirenena, ary ny sampandraharaha mpamoaka ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara, nandritra izany. Ho an-dRakotondrabako Aina tompon’andraikitry ny fanabeazana eo anivon’ny Bianco Toamasina, dia miantoka ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny aro loza ho an’ny mpandeha sy ny mpitatitra ary ireo mpampiasa ny lalana rehetra, ny mpitandro ny filaminana manao ny asany ara-dalana amin’ny fisavana tsy maintsy ataony. Saingy tsy izay ny zava-misy ka lasa miteraka fahafoizan’aina sy loza mahatsiravina ny kolikoly be loatra an-dalam-be. Tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no voakiana mikasika ity resaka kolikoly ity, fa teo koa ny mpitatitra sy ny mpampiasa ny lalana ary ireo mpitatitra, noho izy ireo manaiky manome kolikoly ihany koa noho ny tsy fanarahan-dalana ataony. Ho an’ny Kly Ranaivoarison Théodule komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana, dia tsy maintsy manao marika, “badge”, ny zandary manao fisavana. Natao izany mba hanavahana amin’izay ny vary sy ny tsimparifary eo anivon’ny zandary.
Malala Didier