- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Mpandeha tongotra, maty voadon’ny môtô

Anosizato : Mpandeha tongotra, maty voadon’ny môtô

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Anosizato iny ny alahady lasa teo. Mpandeha tongotra iray no namoy ny ainy rehefa avy voafaokana môtô. Mazava ho azy fa nianjera ary naratra ihany koa ilay mpitondra kodiaran-droa, saingy tsy naninona intsony rehefa nahazo ny fitsaboana sahazy azy. Teo amin’iny lalana avy any amin’ny Fasan’ny karàna iny no nisehoan’ny loza, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Nandeha mafy, toy ny avy Ankadimbahoaka avy any ilay môtô. Somary malalaka ihany koa ny lalana tamin’io fotoana io, raha fantatry ny maro amin’ny resaka fitohanana iny lalana iny, hany ka nanao izay fara-heriny vitany tamin’ilay kodiaran-droa ranamana. Tamin’io fotoana io mihitsy koa anefa no nisy mpandeha tongotra iray, lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo, niampita tampoka. Tsy vitan’ity mpitondra môtô ity ny nampijanona na niala ilay olona niampita. Voafaoka mafy ity farany ary samy niara-nipitika izy ireo, saingy ilay voadona no voa mafimafy kokoa, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Vetivety teo moa dia nitangorona ny olona ary samy nitondra azy ireo tany amin’iny toeram-pitsaboana. Noho ny dona mafy teo amin’ny lohany sy ny ratra nahazo ilay lehilahy mpandeha tongotra anefa dia namoy ny ainy ity farany, nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Fantatra fa efa mandray an-tanana ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana tonga nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana. Ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy kosa dia efa nomena ny fianakaviany, taorian’ny fitsirahana natao azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici