- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Nahitana faty tao an-tsena

Talatamaty : Nahitana faty tao an-tsena

Omaly maraina tokony ho tamin’ny sivy ora, no hitan’ny polisy monisipaly ilay razana. Teo no tsy maintsy nampandrenesana ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana. Rehefa natao ny fizahana, dia fantatra fa lehilahy iray izay heverina ho tsy manan-kialofana izy io. Bruno no anarany raha araka ny fanampim-baovao azo. Avy any Ambatondrazaka ny fiaviany ary miasa kely manodidina ny tsena ihany izy mba hamelomany ny tenany. Rehefa alina izany, dia matory an-dàlambe ny tenany na koa ao amin’ny tsena no mba maka toerana kely tsy dia azon’ny rivotra dia manao dabo-tany. Nahenoana fofon-toaka izy tamin’ny fotoana nijeren’ny dokotera mpanamarina ny fahafatesana azy. Mazava arak’izany, fa ny mby ao an-tsaina voalohany dia ny hatsiaka no nahatonga azy ho nisotro alikaola. Izany fanao izany anefa dia mainka koa mamono haingana ny vatana satria diso tanteraka ny hoe manome hafanana ny vatana ny toaka. Etsy andanin’izany, betsaka ny olona no nahatsapa fa misesy ny fahafatesana tato ho ato. Toe-javatra izay tsikaritra ihany izany rehefa vanim-potoanan’ny ririnina. Indrindra ho an’ireo efa zokinjokiny izay lasa mihetsika avokoa ny marary azy rehefa ao anatin’ny hatsiaka mamirifiry. Ity ririnina iray ity rahateo dia isan’ny tena tsaroan’ny maro fa tena nitondra hatsiaka be. Mbola hilatsaka aza ny mari-pàna ato ho ato raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetr’andro ary mbola hitohy izany mandritry ny volana aogositra iray manontolo. Any ivelany dia efa misy ny toerana izay hametrahana ny tsy manan-kialofana rehefa vanim-potoanan’ny ririnina. Izany dia mba hiarovana ny ain’izy ireo. Teto amintsika dia mba nisy kely ihany izany tany aloha tany, ary teny amin’ireny tranom-pokonolona ireny no nametrahana ny olona. Ankehitriny dia miady irery amin’ny hatsiaka ny olona ary raha misy aza ny fanampiana dia miendrika politika matetika. Toa ireny fanomezana bodofotsy kely izay entina hisehosehoan’ny manam-pahefana amin’ny haino aman-jery ireny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici