- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers« Gym bac » tao Toamasina : Raikitra ny gidra teo amin’ny samy mpampianatra

« Gym bac » tao Toamasina : Raikitra ny gidra teo amin’ny samy mpampianatra

Vao maraina dia efa nameno ny sisin’arabe sy ny tao anatin’ny tokotany ben’ny Lycée J Rabemananjara ireo mpitandro ny filaminana mitambatra. Tonga araka ny nambarany vao maraina ihany koa ny ekipan’ny Sempama Toamasina, araka ny fanambarana sy ny fifanarahan’ireo mpampianatra. Tonga araka ny fiantsoana natao azy koa ireo mpianatra hiatrika ny adina ara-panatanjahantena bakalorea sy ireo mpampianatra mpitsara azy ireo. Tao anatin’izay anefa dia niezaka ny nanafana tena amin’ny adina ataony ireo mpianatra; nandritra izay dia nifanehitra sy nifanasa vangy tamin’ireo ary nisakoroka teo am-bavahadin’ny Lycée J Rabemananjara ny mpampiantra Sempama mitokona sy ny mpampianatra ara-panatanjahantena vonona hiasa. Vokatry ny sakoroka teo amin’ny roa tonta, dia niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandroaka ireo mpampianatry ny Sempama, sy niaro kosa ireo mpampianatra vonona hampanao ny adina ara-panatanjahantena. Raha tamin’ny 07ora no tokony ho nanombohan’ny adina, dia tsy nanomboka izany raha tsy tamin’ny 09ora, ary afaka nanao ny adinany avy ireo mpianatra tao amin’ny Lycée J Rabemananjara. Tsy nisy olana fa nanomboka ara-potoana ny adina natao tao amin’ny Ceg Ratsimilaho, na hita nihaodihaody nanodidina ivelan’ny tokotanin’ny Ceg Ratsimilaho ihany ireo mpampianatra eo anivon’ny Sempama. Ankoatra izany, dia tena tsy raikitra kosa omaly ny fanadinana ara-panatanjahantena tao Brickaville noho ny herin’ireo mpampianatry ny Sempama tany an-toerana. Tonga vao maraina nameno ny kianja nikasana hanaovana ny adina ireto mpampianatra marobe, nanomboka tamin’ny 7ora no nitokona teo ambony kianja izy ireo ary tsy niala teo raha tsy tamin’ny 3ora tolakandro. Nanao ny fifandaminana ihany ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana, saingy be noho ny vitsy dia tsy afa-nanohitra. Notapahan’ny lehiben’ny Sisco Brickaville sy ny solon-tenan’ny oniversite manara-maso izany any an-toerana ary ireo mpitandro ny filaminana, dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny hanaovana ity adina ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici