Efa nandrasan’ny olona ambodiomby mihitsy ny roa lahy mpagalatra omby tao amin’ny tsenan’omby Antsirabe, ny faran’ny heriandro lasa teo. Vao tonga tao amin’ny tsenan’omby izy roa lahy ireo dia tsikaritry ny olona fa hafahafa ny fihetsiny ka maro no efa nanara-maso azy. Marihana, fa dia mbola andro antoandro be tamin’io. Ny tsenan’omby eto Antsirabe izay somary midadasika rahateo ary saika tomefy olona hatrany, satria ivon’ny fivarotana omby eto Vakinankaratra. Ombin’olona mifatotra hamidy no novahan’izy roa lahy ary noroahiny tsimoramora niala ny tsenan’omby. Navelan’ny olona hanao izay nataony izy roa lahy ireo ka izy tafavoaka ny faritry ny tsena iny no nifanenjehan’ny fokonolona. Rifatra nitsoaka izy roa lahy, raha vao nahita ny fokonolona nanaraka. Azo sambo belona ny iray, fa ny iray kosa tafaporitsaka. Niharan’ny daroka sy vono faobe ilay io, ary saika afaka hatramin’ny ainy mihitsy. Soa fa tonga aloha ny zandary miasa ao amin’io tsenan’omby io ka nitondra haingana ilay jiolahy niala ny faritra. Fantatra, fa tsy miasa irery ireo jiolahin-tsena ireo, fa efa tambazotra mihitsy, misy ny mpandray omby halatra afangaro amin’ny hena misy fitomboka hatoko eny ambony ankalana. An-dalam-pitadiavana io mpivarotra hena halatra io ny mpitandro filaminana amin’izao.
Andry N.