- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Olona efatra nalaina an-keriny

Tsaratanàna : Olona efatra nalaina an-keriny

Manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany maraina no nitranga ilay fakàna an-keriny. Mpiasa efatra, mpanao làlana an’ny orinasa Kraoma no nianjadian’izany. Ny iray mpanao  fiara, ny faharoa mpitondra fiara vaventy ary ny roa ambiny mpanao làlana. Ireo no nisy naka tamin’ny fitaovam-piadiana tao Andriamena, toerana iray tsy mifanalavitra an’I Tsaratanàna. Teo am-panatontosana ny asany izy ireo no nalaina an-keriny. Nisy ny niantso ny orinasa Kraoma taorian’izay ary nilaza fa tsy havotsotra ireo olona ireo raha tsy misy ny fifampiresahana amin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Tsaratanàna. Hafakely arak’izany ity fakàna an-keriny iray ity. Miendrika takalon’aina rahateo izany satria tsy dia vola loatra no tadiavin’ireo mpitazona fa kosa fifampiresahana. Tsy mbola fantatra izay tena takian’izy ireo amin’izany resaka izany ary mipetraka ho fanontaniana ny hoe misy tsy mankasitraka ny fanamboarana io làlana izay mampitohy an’I Andriamena sy Tsaratanàna io ve?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici