- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lefitry ny ben’ny tanana, maty voatifitry ny jiolahy

Ambatondrazaka : Lefitry ny ben’ny tanana, maty voatifitry ny jiolahy

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nahery vaika indray tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia, ka olona miisa efatra tao an-tanànan’i Feramanga Atsimo no indray niara-maty voatifitra, anisan’ireo lavo nandritra ny fifadonana tamin’ireo olon-dratsy ny lefitry ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitr’Ambohiboromanga. Raha vao tafiditra teo an-tanàna ireo dahalo dia nanapoaka basy nentina nampihorohoroana ny mponina. Niezaka niantso vonjy ireo olona tao anaty tokantrano voatafika, saingy noho ny tahotra ny ho faty, dia nifanilihan’ny manodidina ny famonjena azy ireo, raha ny voalazan’ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici