Raha ny tokony ho afak’omaly, tamin’ny sivy ora no fetra farany nomen’ireo jiolahy naka an-keriny ireo mpiasan’ny Kraoma efa-dahy tany Tsaratànana, handoavana ny volabe notakian’izy ireo, dia fantatra kosa hatreto fa mbola mandeha ny fifampiraharahana amin’ireto olon-dratsy. Mbola velona ihany koa, araka izany, ireto mpiasa eo am-pelan-tanan’izy ireto, raha norahonany hovonoina, raha ny fampitam-baovao azo farany tany an-toerana, omaly folak’andro. Etsy andanin’izay dia tsy mipetra-potsiny ireo zandary any an-toerana sy ny aty an-drenivohitra fa efa nisy ny fepetra noraisina. Raha ny angom-baovao azo dia efa fantatra ny toerana misy ireto mpaka takalon’aina ireto, ny toerana nitazamany ireo mpiasa, ary efa mivonona ny hanavotra ireo olona eny am-pelan-tanan’ny jiolahy izy ireo.
Raha tsiahivina tokoa ny zava-nitranga dia mpiasan’ny orinasa Kraoma efa-dahy, mpanamboatra lalana no nisy naka an-keriny afak’omaly, tany Brieville Tsaratanana. Volabe an-jatony tapitrisa ariary no takian’izy ireo ho solon’ny ain’ireo mpiasa ireto. Nanome fetr’ora maromaro ireto olon-dratsy handoavana ity vola ity, saingy izao efa dila ilay fe-potoana ary mbola ao anatin’ny fifampiresahana amin’ireo olon-dratsy ny tompon’andraikitra, na ny eo anivon’ilay orinasa izany na ny tompon’andraiki-panjakana. Nandeha tokoa mantsy ny feo fa hoe olom-boafidy iray any amin’iny faritra iny no tena notadiavin’ireto mpaka an-keriny saingy tsy azony izy io, ary dia izao nifatratra tany amin’ireo mpiasa madinika izao. Ity farany izay, araka ny loharanom-baovao samihafa hatrany dia toa hoe efa nanana lonilony tamin’ireo olona mpitazona an’ireo mpiasa ireo. Izany hoe mety mifankahafantatra tsara izy ireo araka izany. Marihana fa 10 lahy ireo mpaka an-keriny ary mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
m.L