- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Omby 35 isa lasan’ny dahalo nitam-basy

Amboasary Atsimo : Omby 35 isa lasan’ny dahalo nitam-basy

Noho ny fanafihan-dahalo tsy miova fo saika isan’andro any amin’ny tapany avaratry ny distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, dia miferinaina lava ny mponina ary misy amin’izy ireo no miafina matory an’ala. Ny alin’ny 22 jolay teo, tanàna roa samihafa any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tomboarivo no notafihan’ny malaso 20 mianadahy nirongo fiadiana, ka omby miisa 25 lasa tao Beadabo, raha folo kosa tao Manjola Tsivory. Araka ny fampitam-baovao voaray, dia maty tsy tra-drano voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ireo mpandroba mpanani-bohitra ny lehiben’ny jado (andrimasom-pokonolona). Manoloana ny vavam-basy mahery vaika moa, dia tsy afa-manohitra hatrany ny fokonolona amin’ny tanàna voatafika sy ireo mpitandro filaminana vitsy an’isa tsy ampy fitaovana miasa any an-toerana, ka mbola tena marefo ny lafiny tsy fandriampahalemana any amin’ity distrika saro-dalana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici