Nandriaka ny rà tetsy Amboditsiry, omaly tolakandro. Mpitondra môtô iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra sy voahosin’ny taxi-be, teny an-toerana. Lehilahy tokony ho 30 taona any ho any izy io, ary araka ny filazan’ireo teny an-toerana, dia mpanamboatra môtô tsy lavitra eo. Efa im-betsaka izy ireo no hitan’ny olona mivezivezy tamin’iny làlana iny. Angamba hoy ireo nanatri-maso, manandrana ilay kodiaran-droa vao avy namboarina.
Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any no nisehoan’ny loza. Niakatra avy any Andranobevava avy any izy sy ilay môtô nentiny tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia teo am-pisongonana fiara izy no notsenain’ilay taxi-be ; izay handeha hizotra mianavaratra. Mizara roa eto ny filazan’ireo nanatri-maso. Nisy ny nilaza fa hoe nandeha mafy izy ary efa nivilivily be ihany teny an-dàlana. Teo am-pisongonana ilay fiara teo alohany izy no tsy tana intsony ny familiana ary dia izy io niafara tany ambanin’ilay taxi-be, izay tsy afa-nijanona ihany koa. Fitantaran’ny olona hafa teny an-toerana ihany koa ny hoe, nofitahin’ilay fiara nosongonany izy, satria somary notairiny kely sy notereny ho any am-povoan’arabe kanefa nisy an’ilay taxi-be nifanena. Taitra tamin’izay ilay mpitondra môtô ka niezaka ny niala ilay fiara, saingy tara loatra, moa tsy voavily intsony ihany koa ilay môtô ka io nifatratra teny amin’ilay fiara nifanena taminy io. Mafy ny fifandonana ary tsy vitan’izay, fa mbola voarain’ny kodiarana ihany koa izy. Niakarapoka mafy tamin’ny tany ny lohany, izy rahateo tsy nanao aroloha. Nijininika ny rà ary tsy nihetsika intsony ilay lehilahy. Nisy ireo niezaka namonjy azy, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana, niezaka nandamina ny fifamoivoizana ; izay nitohana tanteraka teny an-toerana. Ora vitsy taorian’io no tonga ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Bmh, naka ny razana. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao kosa nohadihadiana ny mpamilin’ilay taxibe nahadona azy.
m.L