- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano-Gara : Olona roa nodorana velona teo imasom-bahoaka

Morarano-Gara : Olona roa nodorana velona teo imasom-bahoaka

Ny alarobia teo ny mponina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fierenana no nahasambotra ireo olona roa; izay voarohirohy ho mpandroba. Nentina tamin’ny toerana malalaka aloha ireo olona mba ho hitan’ny besinimaro. Teo dia nanomboka  tamin’izay ny fitsaram-bahoaka. Nofatorana aloha ny tànan’ireo roa lahy. Notsipazana lasantsy amin’izay ary dia nodorana tsy nananana antra nony avy teo. Izany habibiana izany dia nojeren’ny besinimaro, toy ny mijery sarimihetsika fotsiny. Vita izay dia lasa indray ireo olona nihaza ny naman’ireo efa maty. Nahatratra telo izy ireo ary ireo koa dia voarohirohy amin’ny raharaha hala-botry sy fandrobana; izay nisesisesy tao an-tanàna. Mba nanam-bitana ireo vosambotra, satria tonga ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana ary nandrara ny olona tsy hanao fitsaram-bahoaka. Ankehitriny, dia mandeha hatrany ny atrik’asa etsy sy eroa ary samy mahatsapa ao anatin’izany, fa tsy mety ny fitsaram-bahoaka ary koa mila hentanina ny olona tsy hanao izany. Dia mijanona hatreo ny adihevitra, fa tsy tonga any amin’ny vahaolana ifotony. Ny an’ny olona dia tsotra ihany no tadiaviny, arovana ny ainy sy ny havany ary koa ny fananany. Rehefa mizotra amin’izany ny ezaka ary azo tsapain-tànana, dia mijanona ho azy ny fandraisan’ny vahoaka andraikitra hoazy samy irery. Fantatra mazava, fa tsy mety ny fitsaram-bahoaka ary tsy mifanaraka amin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Saingy tsy  vitan’ny fiofanana  sy atrik’asa ny ady amin’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici