Toy ny fanao isam-bolan, hanatanteraka raki-pisaorana ny isan-taranaka ao amin’ny Fjkm Antsahamaina Famonjena ny alahady 5 Aogositra 2018. Amin’ity volana Aogositra ity , ireto avy ireo taranaka hanatanteraka izany eny an-tanindrazana : Ramarohetra Edmond , Ratsimanetry, Ralison Jean Raphaël sy Ranoroharisoa Berthine, Rajaonarivelo Robert, Rajaonarivelo, Ralimanana Martine, Rasolondraibe Norbert, Rakotoarivony Albert, Rajaonarivony Noël, Andrianjakason Tahina Jean Samuel, Rasoarimanana, Rakotondramanana Daniel, Rasoloson sy Rasoazanany, Randriamialison sy RazafiarisoaMarceline ary Rajaonalisoa. Miditra amin’ny 9ora sy 30 minitra ny fanompoam-pivavahana ary misy fahatsiarovana maro samihafa hamidy amin’izany. Mandritra io fotoana io ihany koa ny hametrahantsika taranaka ny teny fahatsiarovana ao anaty boky volamena.
Miantso ny taranaka rehetra ihany koa ny Biraon’ny Fiangonana sy ny Biraon’ny Zanaka am-pielezana ary ny Komitin’ny fanitarana fa ny Alahady 26 aogositra 2018 ho avy izao ny fetin’ny taranaka izay hanasana ny rehetra tsy ankanavaka ho tonga maro. Marihina fa fotoana fiomanana hiatrehana ny fanokafana ny faha-150 taona niorenan’ny Fiangonana io
H.R.