- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025

Tapatapany

#- Anosisoa. Lehilahy tototry ny tany. Tovolahy manodidina ny 20 taona any ho any no tototry ny tany indray tetsy Anosisoa Ambohimanarina omaly. Tsy namoy ny ainy ity farany saingy kosa naratra mafy vokatry ny tsindrin’ireo ranon-tany aman-taonina nahazo azy. Mpiasa, manamboatra trano iray eny an-toerana ity tovolahy ity ary ny tany nototofana tamin’ilay fanamboarana ity nihotsaka sy nahavoa azy io. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpamonjy voina nanavotra azy tao.

#- Ambohitrimanjaka. Olona lasan’ny rano. Lehilahy iray no fantatra fa lasan’ny rano tetsy Ambohitrimanjaka, omaly folakandro. Araka ny fantatra dia namonjy olona iray saika maty an-drano ity olona ity. Ilay olona novonjeny anefa avotra soa aman-tsara fa izy kosa no tsy hita popoka hatreto. Efa nanao ny fikarohana teny an-toerana moa ny tompon’andraikitra amin’izany. Marihana fa fianakaviana iray ihany izy ireo, izay fantatra fa nandeha nanatanteraka « fisasàna » teny amin’iny moron’Ikopa iny.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici