- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN44 : Fiarabe nahafaty olona nitsoaka, avy eo nivadika

RN44 : Fiarabe nahafaty olona nitsoaka, avy eo nivadika

Vehivavy iray no maty tsy tra-drano, lehilahy roa kosa no naratra mafy. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Befotsy, Moramanga, làlana mizotra mankany Ambatondrazaka iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiarabe iray nitaona hazo no nandona azy telo ireto, izay nandeha bisikleta. Tsy mba nahalala nijanona akory anefa ity fiarabe ity, taorian’ny fahavoazana nataony fa vao mainka nandeha mafy sy niezaka nitsoaka. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, fa raha iny an-dalam-pitsoahana iny ilay fiarabe no tsy voatanan’ny mpamily intsony ilay fiara, noho ny fandehanany mafy. Vokany nivadika ary nifatratra tany an-tanimbary ilay fiarabe. Tsy naninona ireo olona tao anatiny tamin’io fotoana io. Ary noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka hatrany, dia niezaka ny niala tao anaty fiara ilay mpamily nahavanon-doza sy ny mpanampy azy ary mbola  nandositra ihany. Nampandrenesina avy hatrany moa teo ny zandary izay tonga tany an-toerana. Nisy ihany koa ny fikarohana ireto nahavanon-doza. Raha ny angom-baovao azo, dia tsy lasa lavitra izy ireo dia voasambotra. Nentina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary any Moramanga.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici