- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tsy miova ny datim-panadinana, ho tonga amin’ity herinandro ny...

Toamasina renivohitra : Tsy miova ny datim-panadinana, ho tonga amin’ity herinandro ny laza adina Cepe

“Efa hiverina hiasa manomboka amin’ny herinandro (ndlr: anio alatsinainy) ireo mpampianatra nitokona eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Efa nanaiky ny hampianatra ireo mpianany sy hanomana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ireo mpanabe ny taona faha-05, mba hahafahana manenjika sy mamerina ny lesona”, izay no nambaran’ny lehiben’ny Sisco Toamasina I nandritra ny fanomezana nataon’ny orinasa Star ireo mpianatra taona faha-05 miisa 300 avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra miisa telo, Epp Augagneur – Epp Anjoma – ary Epp Canada, ho fanampiana azy ireo amin’ny fiatrehan’ireto mpianatra ireto ny fanadinam-panjakana Cepe ny tapaky ny volana aogositra izao; izay nahitana “kits scolaires” hahafan’ireto mpianatra miatrika am-pitonoana ny fanadinam-panjakana sy hanalana fahasahiranana ireo ray aman-dreniny ihany koa amin’ny fisahanana izany fanadinan-janany izany. “Efa ho avy amin’ity herinandro ity ihany koa ny laza adina mifandraika amin’izany, noho izany dia tsy hiova ny datim-panadinana”, hoy hatrany ity lehiben’ny Sisco eto Toamasina renivohitra ity, izay nanamafy ny fampirisihan’ireo mpanatra amin’ny famerenan-desona sy ho tony amin’ny fiatrehana izany fanadinana izany. Ankoatra izay dia nanamafy ny talen’ny sampan’ny orinasa Star, Atoa Rarivoson Doison, fa orinasa mandray andraikitra amin’ny faritra misy sy hiasany ny orinasan’izy ireo, koa tsy hohadinoin’izy ireo mihitsy ny sosialim-bahoaka sy ny mponina ary ny ankizy noho izany. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa raha efa dimy taona tsy nanao hetsika an-kalamanjana ho an’ny daholo be ny orinasa Star teto Toamasina, dia notanterahina ny sabotsy sy ny alahady teo ny “Star Tour” ka nosafidiana manokana ny ny teny amoron-dranomasina nanaovana izany; izay nahitana ireo hetsika sy lalao ary ny fampirantiana ny vokatry ny orinasa samihafa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici