Mitombo isa hatrany tato ho ato izay ireo olona minia manapitra andro ny fiainany. Omaly tetsy Bypass, amin’iny faritra manodidina an’Ankadievo iny dia lehilahy iray no hita faty tao an-tranony efa nihantona tamin’ny tady. Tokony ho 23 taona eo ho eo ity lehilahy ity, ary mpiasa eny amin’iny faritra iny ihany. Izy irery no tao an-tranony tamin’io fotoana io, raha ny angom-baovao azo. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia ireo fianakaviany tonga teny aminy vao maraina no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao an-trano. Efa somary antoandro ihany ny andro kanefa mbola tsy nivoha trano izy, tsy fombany rahateo izany. Ireo mponina teny amin’ny manodidina rehefa nanontaniana dia hoe nody tao izy ny alina. Mahina tanteraka tamin’ny mety ho zava-niseho ny rehetra ka niezaka ny nandondona, saingy tsy nisy namoha. Teo no voatery nopitsohina ny trano ary io zava-doza io no niseho. Efa nihinjitra sy tsy nisy aina intsony ny lehilahy io hitan’ny rehetra io. Na izany aza anefa dia niolomay nanala ny fatotra teny amin’ny tendany ireo nanatri-maso ary niezaka nitondra azy haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Saingy indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Nampidinina avy hatrany tao amin’ny tranom-paty ny razana mba hatao fitsirihana ary nomena ny fianakaviany nony avy eo. Famonoan-tena marina ve ? Dia inona anefa no antony ? Sa famonoana olona natao miendrika famonoan-tena ? Amin’ny toe-javatra toy izao moa dia tsy maintsy misy ny fampandrenesana ireo mpitandro filaminana. Ary na dia hitan’ny maso aza fa mizotra mankany amin’ilay voalohany ny vinavinan-kevitra dia tsy maintsy misy foana ny fanadihadiana nataon’izy ireo.
m.L