- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversNy Kardinaly Tsarahazana tao Fenerivo Atsinanana : Be loatra ny fahaloavana sy...

Ny Kardinaly Tsarahazana tao Fenerivo Atsinanana : Be loatra ny fahaloavana sy ny tsy fahamarinan’ny mpitondra

Taorian’ny fandraisan’ny mpino ny Kardinaly Sem Tsarahazana tao Antananarivo sy teto Toamasina renivohitra taorian’ny fandraisany ny marika maha-kardinaly azy tany Roma, dia manomboka manao fitsidiham-paritra amin’izay ny tenany izao mba hitondra hafatra sy hampahery ny Malagasy isam-paritra. Ny faran’ny herinandro teo, dia ny tao Fenerivo Atsinanana faritra Analanjirofo no novangiany, faritra izay tsy vahiny aminy satria efa naha-eveka azy talohan’ny nahazoany ny arseveka teto Toamasina ka nahavoafidy azy ho kardinaly izao indray. Ny sabotsy no fotoana nitsenan’ny vahoaka sy ny mpino azy tao Fenerivo Atsinanana, ka tamin’ny 5ora sy 15min izy no nigadona tao Fenerivo Atsinanana tamin’izay. Ny alahady kosa dia fotoam-bavaka goavana natao tao amin’ny kianja lehiben’i Sahavola ny kardinaly Sem Tsarahazana. Raha noharina ny teto Toamasina izay zary lasa fanaovana dokam-barotra politika ho an’ny sasany, dia nilamina sy nirindra tsara ny fotoam-bavaka tao Fenerivo Atsinanana, tamin’ny fanaovan’ny vahoaka sy ny mpino fitafy mena midorehitra tahaka ny fitafy maha-kardinaly ny Sem Tsarahazana izy rehetra. Nandritra ny toriteny nataon’ny kardinaly no nanomezany lesona sy namakian’ny bantsilana ny fahalovana sy ny tsy fahamarinana ary ny tsy fanajana ny soa toavina maha-malagasy sy ny hafatr’Andriamanitra fanaon’ny mpitondra. Nomeny hafatra vokatra izany ny Malagasy sy ny tanora mba handray ny andraikiny, fa tsy ho kivy na hamoy fo. Mila miverina amin’Andriamanitra isika, mila manaraka ny didin’Andramanitra ny Malagasy, satria ady mafy no tsy maintsy atao amin’ny fahazoan’ny tsy fahamarinana laka eto amintsika izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici