Isan’ny tena nahatrarana andian’olona mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty ary taolam-paty maro indrindra eo anivon’ny faritra Atsinanana ny ao Mavam, misy any Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampontsy ary Marolambo. Ny taona lasa dia taolam-paty nilanja roa taonina no tratra tao Vatomandry, manginy fotsiny ilay tratra nampiarahana tamina gony feno arina tao Vohimbendrana lalam-pirenena faha-5 ao akaikin’ny kaominina Ambodiatafana nisy roa gony izay nalaina tany Mahanoro ary nokasaina hamidy teto Toamasina. Ny faran’ny herinandro teo koa dia olona roa lahy avy any Mavam ihany koa no tratran’ny polisy niaraka tamina taolam-paty 5kg teo am-pialana taksibrosy tao amin’ny toeram-piantsonan’izany tao Ambolomadinika. Heverina hoy ny polisim-pirenena na milaza ny mifanohitra amin’izany aza izy roa lahy, fa santionany hoentina hitadiavana mpividy eto Toamasina renivohitra ireto taolam-paty tratra ireto, satria sady voafantina tsara ireto taolan-dava ireto, no vita tao anaty fonosana ara-dalana ihany koa. Mitohy ny fanadihadiana mikasika izao raharaha izao, ary misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaomisaria eto Toamasina sy ireo kaomisaria ary ireo mpitandro ny filaminana hafa any Mavam, mba hamantarana marina ny fandehan’ity taolam-paty tratra tao amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibrosy ao Ambolomadinika, ny faran’ny herinandro teo ity. Anio no hiakatra fitsarana izy roa lahy ireto…
Malala Didier