- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa : Natahotra fitsaram-bahoaka dia nitsoraka tao

Ikopa : Natahotra fitsaram-bahoaka dia nitsoraka tao

Niainga tamin’ny halatra bisikileta ny raharaha ary niafara tamin’ny fahafatesana. Ny asabotsy teo, manodidina ny tamin’ny dimy ora hariva, no nisy nahatsikaritra ny roalahy naka ny bisikileta iray nipetraka amoron-dàlana tetsy Marobiby. Vetivety dia niely ny feo ary vory ny olona. Nifanenjehana ireo mpangalatra nanomboka teo. Rehefa tsapan’izy ireo fa mihamitombo ary miha-manakaiky hatrany ireo olona dia nanapa-kevitra izy ireo ny nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa mba ho fanavotanany ainy. Ny iray mba nahavita niampita rano ihany fa ny iray kosa nentin’ny riaka. Ary tsy hita raha tsy ny ampitson’iny, izany hoe ny alahady teo. Tany amin’ny sampanana mizotra an’Ambohitrimanjaka, tsy mifanalavitra amin’ny mpivarotra tao zavatra malagasy no hitan’ny olona ilay vatana mangatsiaka. Tovolahy 21 taona izy io, raha araka ny fanazavan’ny zandary, ary monina eny Andramahavola-Itaosy. Avy amin’ny fahafantarana azy no nampizotra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny fisamborana olona roa hafa izay ahiana ho niray tsikombakomba taminy. Ny bisikileta kosa dia tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony rehefa navelan’ireo mpangalatra fotsiny mba ho fanavotana ny ain’izy ireo. Zavatra roa no azo tsoahina amin’ity tranga ity. Voalohany, tena efa betsaka ny olona farahidiny ary dia mizotra any amin’ny hala-botry sy asan-jiolahy. Nisy fotoana dia tsy dia nisy intsony izany halatra bisikileta izany satria fantatra fa sady sarotra ny mitsoaka aminy raha misy manenjika no koa tsy misy vidiny firy. Saingy izao, mila hidiana hatrany ity fitaovam-pitaterana ity na aiza na aiza aleha satria tena tian’ny mpangalatra. Faharoa manaraka izany, efa lasa fanao manerana ny nosy ny fitsaram-bahoaka, kanefa na tamin’ny faha-mpanjaka aza dia mbola nampiasaina ny tangena rehefa voasambotra ny jiolahy. Izany aza dia mbola misy didin’ny mpanjaka izay vao azo natao ny mandatsa-drà. Izao kosa dia tsy fantatra hoe nihemotra taiza ho aiza amin’ny tantaraisika. Izay voasambotra dia dorana na vonoina amin’ny zava-maranitra. Toa tsy ao anatin’ny lohan’ny olona intsony izany hoe fanajàna ny zon’olombelona izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici