- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Kamiao niala barazin’ny jiolahy, telo no maty

RN7 : Kamiao niala barazin’ny jiolahy, telo no maty

Voatery nosokirina ny razana vao tafavoaka tao. (sary nindramina)

Tamin’ny lalam-pirenena fahafito, teo avaratr’i Ranohira no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Saingy tsy tena lozam-pifamoivoizana toy ny rehetra fa kosa vokatry ny asan-jiolahy. Ny alin’ny talata teo, kamiao iray izay nataon’ny olon-dratsy lasibatra no voatery niala tamin’ny barazy izay napetrak’ireo. Nitera-doza izany satria nivarina tany anaty hady ilay fiara lehibe. Tsy vitan’izay fa niteraka fahafatesana avy hatrany. Namoy ny ainy ny olona telo tamin’ireo dimy nentin’io kamiao io. Voatery nosokirina aza ireo razana, hatramin’ny omaly maraina, vao tafavoaka tao anatin’ny kamiao. Ny roa hafa kosa dia mba voavoaka tao anatiny rehefa nifamonjena. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay haingana ireo mba ho fanavotana ny ainy. Tebiteby toy izany hatrany no iainan’ny olona ankehitriny rehefa mandeha amin’ny lalam-pirenena. Any amin’ny toerana izay tsy dia noeritreretina hisy fanakanan-dàlana no nisy izany tampoka. Miteraka voka-dratsy ara-toekarena  mivantana ny fandrobàna, satria manomboka malaina hivezivezy ny olona, eny fa na dia iankinan’ny asa aman-draharahan’izy ireo aza izany. Hatreto dia tsy hita mazava ny tena vahaolana, satria tsy ary ho ampy ny mpitandro ny filaminana hapetraka hiaro ny  mpivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena. Tsy maintsy izay tena maika aloha no nandraisana fepetra avy hatrany, isan’izany ny fametrahana mpitandro ny filaminana any anaty fiara mpitondra mpizaha tany sy fiara mpitatitra, any amin’ny faritra mena. Ny ambiny kosa, indrindra ho an’ireo izay sahy ny mandeha alina, dia miankina tanteraka amin’ny risi-pon’izy ireo izany sisa, satria tsy misy azo atao. Na ny fiara izay efa mifanarakaraka aza mantsy indraindray dia mbola sahin’ireo olon-dratsy robaina miraka hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici