- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversHerinaratra eto toamasina : Mampifila herinaratra ny Enelec, manomboka miverina ny fahatapahan-jiro

Herinaratra eto toamasina : Mampifila herinaratra ny Enelec, manomboka miverina ny fahatapahan-jiro

Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity dia nanomboka niverina teto Toamasina indray ny fahatapatahan-jiro, sy ny fanaovana delestazy mikasika ny famatsiana herinaratra ny mpanjifa. Tsy vokatry ny olana ara-teknika amin’ny famokarana anefa ny antony raha ny angom-baovao natao, fa miverina mampifila ny fanjakana amin’ny alalan’ny famatsiana herinaratra ny Jirama eto Toamasina indray ny orinasa Enelec. Raha mila tanjaka manodidina ny 23 na 24MW isaky ny foatoana maha-be ny fampiasana herinaratra mantsy ny Jirala hamatsiany ny mpanjifany, dia tsy manana afa-tsy 18MW eo ho eo fotsiny izy isaky ny hariva hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany, noho ny fialan’ny Enelec mandritra izany, ka voatery miditra amin’ny fifandimbiasan’ny fanapahana ny Jirama mba tsy ho olana amin’ny fiaraha-monina ny resaka herinaratra. Tsy fantatra mazava ny tena antony, fa tsilian-tsofina fotsiny no nahalalana fa resa-bola sy resaka trosa ny orinasa Enelec amin’ny Jirama tahaka ireo olona teo aloha rehetra ihany no anton’izao familafilana famatsiana ny Jirama Toamasina amin’ny herinaratra izao. Ho hita eo anefa ny fandraisana andraikitry ny tale jeneralin’ny Jirama mikasika izao olan’ny Enelec sy ny Jirama Toamasina izao. Na izany efa maro ny ezaka natao ho fanatsarana ny tamban-jotra na herinaratra eto Toamasina, efa saika tafapetraka avokoa ireo tarobian-jiro nanitarana sy nanatsarana izany ary ny fiarovana ny mpanjifa ihany koa; tsy ho ela dia hisy koa ny fametrahana takamoa miisa 800 amin’ny boriborin-tany roa aloha, dia ny ao Ankirihiry hahazo 500 sy ny Tanambao V haazo 300.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici