- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra lavanila : Mila foana na farafaharatsiny mihena manomboka izao, hoy ny Kolonely...

Halatra lavanila : Mila foana na farafaharatsiny mihena manomboka izao, hoy ny Kolonely Behivoka Fieberch

Manoloana ny firongatry ny halatra lavanila any amin’ny Faritra Sava, dia nanome baiko hentitra an’ireo Zandary eo ambany fifehezany, ny Kaomandin’ny fari-piadidiam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Antsiranana, ny Kolonely Behivoka Fieberch. Manomboka izao, raha ny nambaran’ity manam-boninahitra ambony ity, tao Sambava, afak’omaly, fa mila foanana na farafaharatsiny mihena ny halatra lavanila, ary tsy maintsy atao tanjona izany, satria vina voalohany hapetraka aty Sava ny fanafohanana ny asan-dahalo manoloana ny halatra lavanila. Tsy ekana ihany koa, hoy ity manam-boninahitra kolonely ity, ny fanaovana fitsaram-bahoaka ary ny fiaraha-miasa matotra amin’ny vahoaka ihany no hampiverina ny fitokisan’olona ny Zandary. « Tsy handefitra amin’ireo Zandary mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna ary mpanao kolikoly ny tenako, satria mandratsy endrika ny Zandarimariam-pirenena », hoy ny Kolonely Behivoka Fieberch, namarana ny fanazavany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Taorian’ny nanendrena azy teo amin’io toerana io, ny 15 Jona lasa teo, dia mitsidika Distrika maromaro manao « visite des unités » any amin’ny Faritra Sava ankehitriny ity tompon’andraikitra ambony ity, nanomboka ny 30 jolay teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici