- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy: Fiara nandeha mafy nandona scooter, iray no maty

Andoharanofotsy: Fiara nandeha mafy nandona scooter, iray no maty

Ny asabotsy vao maraim-be, manodidina ny tamin’ny roa ora maraina raha araka ny filazan’ny olona teo an-toerana no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Fiara tsara tarehy, ary nolazain’ireo nanatri-maso fa vaovao mihitsy aza, no nandeha mafy ary nifatratra tany amin’ny scooter iray. Fantatra, fa lehilahy izay miasa amin’ny trano printy iray eto An-drenivohitra ilay namoy ny ainy. Tapaka ny hatony sy ny lamosiny, feno ratra ny vatany ary niongotra ny ampahan’ny rantsan-tànany, raha araka ny fanazavan’ny havan’ny maty. Avy any Iavoloha ilay fiara ary ilay môtô kosa hamonjy fodiana any Mandriamena-Andoharanofotsy. Notsipihan’ireo fianakavian’ny maty, fa nikasa ny hitsoaka teo an-toerana ilay lehilahy nitondra fiara, saingy mafy loatra ny fahavoazan’ny fiara nentiny ka tsy afaka nihetsika intsony. Fotoana fohy taorian’izay kosa dia maty ilay mpitaingina scooter, namela mananon-tena iray sy zaza telo. Nifamahofaho be ihany ny resaka teny an-toerana. Nisy ny olona izay nilaza ho nahita ary nanamafy fa mamo tampon ny mpitondra ny fiara. Nohamafisin’ny fianakavian’ny maty koa izany ary notsipihan’izy ireo aza ny hoe mbola nisy tsaky sy toaka tao anatin’ny fiara. Isan’ny nampalahelo tamin’ity tranga ity, dia ny mbola fisian’ny fanendahana ny maty hatrany. Nisy nangalatra ny sakaosy teny amin’ny maty, nisy fakan-tsary sy fitaovana hafa anefa tao anatin’izany. Nitangorona ny olona ary nanomboka natahorana ny mety ho fanararaotana sy fitsaram-bahoaka. Navoakan’ny zandary tao anatin’ny fiara ilay mpamily izany ary nafindra fiara dia nentina niala teo. Ny fianakavian’ny maty dia milaza hanara-maso akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity, satria amin’izy ireo dia misy hafetsena izay hataon’ny olona sasany. Anio no tokony hiakatra etsy amin’ny fampanoavana Anosy ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici