
Tsy misy izay tsy taitra raha nahare fa maty teo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 09ora alina, ity DJ sy mpanentana amin’ny Onjam-peo Viva Todizara Angelo fantatry ny maro amin’ny hoe DJ Angelo ity. Maro ireo nahita fahafinaretana tamin’ny maha-mpanetsiketsika azy eo anivon’ireo trano fandihizana, izay nentiny teo anivon’ny fanentanana nataony tamin’ny onjam-peo niasany koa izany. Isany namorona ilay hira nokaloin’i Stephanie “tsinjaka” iny ny tenany; izay vao mainka nahafantaran’ny olona maro azy satria nanakoako eran’ny Nosy ilay hira ary tonga hatrany ampitan-dranomasina ihany koa. Tsy ny DJ sy ny fanentanana amin’ny onjam-peo ary ny famoronana hira mampitsinjaka ihany anefa no nahalalan’ny olona azy teto Toamasina, fa isany niditra tao anatin’ny politika koa ny tenany nandritra ny fifidianana ben’ny Tanana sy mpanolo-tsain’ny kaominina farany teo, ka ny lisitra Mapar no nisy azy ary nahatonga azy ho lasa mpalo-tsain’ny tananan’i Toamasina. Efa volana maromaro izy no nolazoin’ny aretina; izay lafo be ny fitsaboana azy ary efa nikasa ny hivoaka any ivelany izy, saingy tsy mety mahazo ny fahazoan-dàlana mikasika izany mihitsy. Ny gazety Midi Madagasikara dia mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny DJ Angelo sy ireo mpanentana eny amin’ny trano fandihizana rehetra, tamin’ny namoizan’izy ireo ny andrarezina izany eto Toamasina.
Malala Didier