- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntanambao Manampotsy: Tafakatra 700 Ar kapoakan'ny vary

Antanambao Manampotsy: Tafakatra 700 Ar kapoakan’ny vary

Noho ny findangan’ny vidim-piainana sy ny fahalafosan’ny vidim-bary amin’izao fotoana izao, dia velon-taraina ny mponina any amin’ny Distrikan’Antanambao Manampotsy. Raha araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia tafakatra 700 Ariary ankehitriny ny kapoakan’ny vary gasy, raha novidiana 500 Ar ka hatramin’ny 550 Ar izany, arakaraka ny hatsarany, herinandro vitsy lasa izay. Manodidina ny 600 Ariary kosa ny kapoakan’ny vary nohafarana « stock tampon » izay efa misy fofony ny sasany amin’izy ireo, nefa mbola amidy eny an-tsena hatrany. Raha ny fantatra, dia noho ny toetr’andro izay tena maina tanteraka, ka simba avokoa ny fambolena rehetra, indrindra fa ny voly vary no antony tena nampiakatra tampoka ny vidim-bary any amin’ity Distrika saro-dalana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici