- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy: Mpamaky trano tratra nivarotra entana halatra teny an-tsena

Andravoahangy: Mpamaky trano tratra nivarotra entana halatra teny an-tsena

Vintana nitsiky, ho an’ity olona iray niharan’ny vaky trano, teny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Sady hitany mantsy ny sasany tamin’io entana very no voasambotra ilay jiolahy. Ity farany izay mbola niezaka nivarotra ireto entana halatra.

Tovolahy iray no sarona teo an-toerana tamin’io fotoana io. Ilay mpivarotra no avy hatrany dia notanan’ny pôlisy sy nentina natao fanadihadiana avy hatrany. Nogiazana kosa ireo entana namidiny. Raha ny fandehan-javatra dia ny zoma teo no nisy namaky ny trano iray teny Andravoahangy. Ny ampitson’io raha sendra nandalo tamina tsena teny an-toerana ilay tompon-trano dia nahita ny iray tamin’ireo findainy namidy teny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana. Teo no ho eo ihany dia nampandre ny pôlisy ity lasibatra ka nidina teny tsy am-pihambahambana ireto farany. Tamin’ny fanadihadiana natao no fantatra fa isan’ireo olon-dratsy namaky ilay trano ity mpivarotra ity. Mbola misy moa ny namany hafa, raha ny vaovao ka efa eo an-dalam-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana. Fa tamin’io fotoana io ihany koa, hoy hatrany ny fampitam-baovao dia mpandeka rain-dahiny, ilay mpanataka pôketram-behivavy amin’ny « lame » no tra-tehaky ny pôlisy tsy nanao fanamiana teny amin’ny tsenan’i Pochard. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy tamin’io fotoana io. Raha ny filazany dia efa maro ireo efa voany ary efa vola maromaro sy zava-tsarobidy maromaro ihany no azony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici