Nitrangana fanafihana mahery vaika indray tato amin’ny disitraikan’i Maevatanàna. Andian-jiolahy tsy latsaky ny 20 nirongo fiadiana no nanao fanafihana, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Maromalandy, kaominina Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’ny fanafihana ny alin’ny Asabotsy 04 Aogositra lasa teo. Tokony ho tamin’ny folo ora alina no nanapoaka basy nentina nandemena saina ny mponina tsy hisy hivoaka. Nanaram-po ireo jiolahy nandroba fanan’olona. Tokantranona lefitry ny ben’ny tanàna ao Ambalajanakomby no tena lasibatra tamin’io, ary lasa hatramin’ny omby tao am-balany izay miisa 200 mahery teo. Araka ny fantatra, dia isan’ny manan-katao eo amin’ilay tanàna io voatafika io. Trano lehibe no misy ity lefitry ny ben’ny tanàna ity, ka tonga dia nidiran’ireo jiolahy rehefa voapitsony ny hidim-baravarana. Rehefa izay, dia niezaka namoha ny varavarana iray hafa tamin’ilay trano izy ireo, saingy tsy voavahany fa tsara hidy ny trano. Ny entana rehetra noho izany no tapitra noraofin’ireo jiolahy, izay zakan’ny tànany. Nataon’ny dahalo madiodio mihitsy ihany koa ny omby tao am-bala, raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Ankoatra izay, dia nidiran’izy ireo ihany koa ny trano rehetra teo an-tanàna, lasa nandritra izany ny entana. Niezaka niantso ny mpitandro ny filaminana ny voatafika, saingy efa tara ny fahatongavan’ireto farany ka tsy nahita na inona na inona intsony, efa dila ny malaso. Mbola mitohy hatrany kosa ny fanarahan-dia ataon’ireo Zandary enin-dahy sy ny vatan-dehilahy hatramin’izao.
Ratantely